Rastany: Mitohy ny fitetezana ireo fokontany eto amin'ny Boriborintany faha II

  • jeudi, 09 mai 2019 14:12
  • Tigre
  • Sary nomena

Manohy ny fitetezana ireo fokontany eto amin'ny Boriborintany faha II i Randrianarisoa Stanislas na Rastany, kandida narotsaky ny antoko Tiako I Madagasikara - K25, mitondra ny laharana faha 9 amin'ny bileta tokana.

Voatsidika tamin'izany ny fokontany Ambohitsoa, Ambohimiandra, Mahazoarivo ary Mandroseza.

Nifampiresaka mivantana tamin'ireo mponina izy sy ireo mpiara-miasa aminy nanazavany ny vinany, sy nihainoany ny hetahetan'ny mponina.

Voaresaka tamin'izany ny fijalian'ny mponina amin'ny resaka rano, ny fandriam-pahalemana, ny fampianaran-janaka, ny vidim-piainana midangana, ny fahasalamana tsy araka ny vidim-panafody, ny tanora tsy ampy fialam-boly.

Nankasitra an'i Rastany ny mponina amin'ireo asa soa fanaony ety amin'ny Boriborintany faha II.

(Jereo sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.