Toamasina I: Feno ny fandaharam-potoanan'i Naharimamy Irmah ny andron'ny Paska

  • lundi, 22 avril 2019 08:41
  • Tigre
  • Sary nomena

Nahazo fanasana tamin'ny fiangonana mirahavavy, ny Fiangonana Anglikanina, sy i Kristy Fehizoro Tanambao 5, ny kandida ho solombavambahoaka Irmah Naharimamy ny marainan'ny alahadin'ny Paska.

Notohizany tamin'ny fanomezam-boninahitra ny fanasan'ireo Zanaky Vakinankaratra teto Toamasina izany avy eo.

Ary ny tolakandro dia nizara amboara sy kopy, tao amin'ny stade municipal, tamin'ireo tanora mpanao fanatanjahan-tena Irmah Naharimamy, vao niara-nifety tamin'ny fianakaviany amin'izao andron'ny Paska izao.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.