« Précampagne » : Mijery florà ny CENI

  • jeudi, 18 avril 2019 11:42
  • Zakaria

Gaboraraka tanteraka ny miseho amin’izao manoloana ity « Précampagne » amin’ny fifidianana solombavambahoaka ho avy ity. Samy manao izay saim-patany ireo kandida manararaotra ny tsy fisian’ny lalàna mifehy ny fampielezankevitra mialoha ny fotoana, hany ka ao ny efa manaparitaka ny afisiny misy soratra fidio amin’ny tambazotra sosialy facebook, ao ny mametaka afisy maneho ny endrikendriky ny bileta tokana efa nasiana marika ny faritra asiana ny safidy.

Manginy fotsiny ireo kandida misisika milahatra amin’ny filoha sy minisitra manao asan’ny mpanatanteraka.

Tsy voafehin’ny CENI ny tsy fanarahan-dalàna miseho, manao litania fampahatsiahivana lalàna ihany fa tsy misy mpihaino.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.