Bianco: Mitady Tale jeneraly vaovao

  • mercredi, 17 avril 2019 10:42
  • Zakaria

Ho tapitrika afaka roa volana eo ny fepotoam-piasan’ny Tale jeneralin’ny Birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly (Bianco) Andriamifidy Jean Louis, rehefa naharitra dimy taona.

Araka ny voalazan’ny andininy faha-42 ao amin’ny lalàna 2016-020, tamin’ny 22 aogositra 2016, momba ny ady amin’ny kolikoly dia dimy taona tsy azo havaozina ny fepotoam-piasan’ny Tale jeneralin’ny Bianco io.

Didim-panjakana 2014-642 tamin’ny 4 jona 2014 no nanendrena an’i Andriamifidy Jean Louis ary ny 23 jona 2014 izy no nanao fihanianana. Ho tapitra amin’ny 23 jona 2019 izany ny fe-potoana niantsorohany io andraikitra io. Misy ny tolotr’asa hitadiavana izay ho solony. 

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.