Vondrom-paritra SADC : Ratsy toerana i Madagasikara

  • mardi, 16 avril 2019 13:48
  • Tigre

Mafanafana ny fifandraisana diplaomatika eo amin'i Madagasikara sy ny vondrona SADC, taorian'ny tsy nanatrehan'i Madagasikara ny fivorian'ny SADC tatsy Pretoria Afrika Atsimo fa nandeha namonjy "Conférence de Marrakech" tany Maroc tamin'ny 27-28 Martsa.

Raha ny loharanom-baovao akaiky ny ministeran'ny raharaham-bahiny dia firenena manana ny fiandrianany i Madagasikara ka malalaka amin'ny fanapahan-kevitra raisiny.

Maroc dia ratsy eo imason'izao tontolo izao noho ny fibodoany an'i Saharaha Andrefana ary zanahiny ka miandrandra fahaleovantena.

Ho an'ny mpandinika politika dia te hahazo ny volan'i Mohammed VI ny fitondran'i Andry Rajoelina, no mety fanehoany lolom-po ihany koa amin'ny SADC tamin'ny tsy nahafahany nirotsaka hofidiana filoham-pirenena tamin'ny 2013.

Nanohana ara-teknika sy ara-bola an'i Madagasikara tamin'ny fanatanterahana ny fifidianana filoham-pirenena farany teo ny SADC, mety hiitatra amin'ny fitakiana ny hamerenana ny vola ny raharaha raha tsy mahita marimaritra iraisana.

 
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.