Ambohijafy Toamasina I: Nitsidika sy nifanakalo hevitra tamin'ny mponina i Irmah Naharimamy

  • samedi, 13 avril 2019 20:07
  • Tigre
  • Sary nomena

Nitsidika ireo mponina tao amin'ny cité indigent parcelle 14/31 Ambohijafy ny kandida Irmah Naharimamy sy ireo mpiara-miasa aminy. Niangavian'ny mponina azy tamin'izany ny fanatsarana ireo fotodrafitrasa eo an-toerana, satria rehefa avy ny orana dia dobon-drano ny faritra, tsy ampy ireo toerana hanariana fako, tsentsina ireo tatatra, ka miakatra ny loto sy ny fofona rehefa mafana ny andro.

Nisy ihany koa ireo mponina tena sahirana teo an-toerana ka nitondra izay voatsirambin'ny tanana ny Kandida ho solombavambahoana Irmah Naharimamy, anampiana ireo sahirana, toy ny vary, sy savony...

Nanentana ireo mponina kosa izy ny hitandroana ny fahadiovana, ary andraisan'ny tsirairay andraikitra ny amin'izany. 

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.