Boriboritany faharoa: Dinidiniky ny mpianakavy niaraka tamin'i Rastany

  • samedi, 13 avril 2019 19:43
  • Tigre
  • Sary nomena

Tonga niaraka nifanakalo hevitra tamin'ireo solotenan'ny mponina teny Ambohipo, Ambolokandrina, ary Andohanimandroseza ny kandida sy ireo iray lisitra aminy, avy amin'ny Tiako i Madagasikara, Randrianarisoa Stanislas na Rastany, depiote teo aloha voafidy tao Antananarivo faha-2.

Anisan'ny nivoatra tamin'ny lahadinika ny fandaminana ny tanàna, ny tsena, ny fandriam-pahalemana, ary ny fanatsarana ireo fotodrafitrasa toy ny sekoly sy ny dispensera.
Tao ihany koa no nangataka ny hisian'ny Lycée ety amin'ny boriboritany faha 2, satria tokoa, efa misy ny EPP, ny CEG, ny Oniversité ety, fa ny Lycée no voadingana.

Nanamafy ny Kandida ho solombavambahoaka, fa anisan'ny hiady izany eny amin'ny Antenimieram-pirenena izy, ampidirana izany amin'ny teti-bola, ary andresy lahatra ihany koa ny eo anivon'ny ministeran'ny fanabeazam-pirenena.

Nisy moa ny fiaraha-misakafo ho nofo-kena mitam-pihavanana tamin'ireto solotenan'ny mponina ireto.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.