Manakara: Naka lesona tamin'ny tantara

  • vendredi, 29 mars 2019 19:19
  • Britto
  • Sary nomena

Nisy androany teto Manakara ny lanonam-pahatsiarovana ireo nahafoy ny ainy ho an'ny Firenena. Notsaroina ireo izay tsy nikely soroka nitolona ho an'ny fahafahana, ireo no tena taratry ny hambompom-pirenena.

"Manery antsika handray andraikitra izany", hoy i Beboarimisa Ralava ary "manery antsika tsy hanana ahiahy fa hanohy hibanjina ny tombotsoa ambonin'ny Repoblika".

Tanora zanak'i Manakara i Beboarimisa Ralava. Kandida solombavambahoaka. Anisan'ireo kandida tonga tamin'ity lanonam-pahatsiarovana ity teto Manakara androany, sady nametraka fehezam-bonikazo teny amin'ny fasan'ny Mahery Fo ao Ambalakararaina, ho "mariky ny fanomezam-boninahitra izany herim-po sy fitiavan-tanindrazana izany", hoy izy.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.