Ramparany Anthelme: « Hijoro hanohy ny ezaka fitiavan-tanindrazana »

  • vendredi, 29 mars 2019 10:07
  • Britto
  • Sary nomena

Andro ahatsiarovana ireo raiamandrenitsika namoy ny ainy noho ny fanavontana an’i Madagasikara teo ambany vahohon’ireo mpanjanaka ity andron’ny 29 martsa ity, hoy Ramparany Anthelme ka « tsy ho avelantsika ho raraka antany izany, koa hijoro hatrany isika hanohy izany ezaka fitiavantanindrazana izany satria ny tena tia, dia izay mahafoy ny ainy».

Nanao velirano ity zanak’ambanivolo, kandida solombavambahoaka eto Mananjary ity, nilaza fa « hotolorantsika ny voninahitra mendrika azy ireo bekotro maro holatra izay akanga sisa nanamborana, ary hoporofointsika amin’ny asa fampandrosoana ny fitiavantsika an’i Madagasikara, satria Masina loatra i Madagasikara, indrindra fa i Mananjary ».

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.