Toamasina: Manohy ny asa efa fanaony i Irmah Naharimamy

  • lundi, 25 mars 2019 14:44
  • Tigre
  • Sary nomena

Mitohy hatrany ny hetsika efa fanaon'i Irmah Naharimamy, mitety sy mijery ireo sahirana, mampivondrona ireo tanora, mamporisika ny hanaovana fanatajahan-tena hialana amin'ny fakapanahy amin'ny toaka, sy ny rongony, sady ho fitaizam-batana sy saina.

Nanolotra amboara ho an'ireo tanora izy omaly alahady teo amin'ny kianjan'i Ratsimilaho, nanokatra ihany koa ny sampana atletisma, ary io maraina io dia nanolotra vary, biscuit, savony ho an'ireo voafonja ao Ambalatavoangy.
Nojereny manokana amin'izany ireo vehivavy izay maro tokoa no mijaly, ary misy aza no mitazona ireo zanany miaraka aminy ao.

Irmah Naharimamy moa dia isan'ireo hifaninana amin'ny fifidianana Solombavambahoaka atao ny 27 mey ho avy izao, eto Toamasina I.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.