Antananarivo Avaradrano: Niova ny lisitry ny kandida depiote TIM

  • lundi, 25 mars 2019 09:34
  • Britto

Araka ny didy (Arrêt n°21-HCC/AR) navoakan’ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana ny 22 martsa 2019, araka ny fitoriana nataon’i Andrianatsifonantsara Haja, dia niova ny lisitry ny kandida solombavambahoaka narotsaky ny antoko Tiako I Madagasikara ato Antananarivo Avaradrano, ka Randriambolaina Gerry no mitarika ny lisitra, Andrianatsifonantsara Haja no manaraka azy. Mpisolotoerana kosa Rakotondrasoa Georges sy Rasoamanandraibe Nomena.

Raha ny lisitra neken’ny CENI kosa dia Randriambolaina Gerry no mitarika ny lisitra, Ratsimba Julien Tovomampiandriarivelo no manaraka azy. Mpisolotoerana kosa Andrianjafy Christian Olivier sy Fanomboha Raveloson.

Nofoanan’io didy io ihany koa ny maha « mandataire »-n’ny antoko an’i Ranovona Hery, fa i Andrianatsifonantsara Haja Avo Ny Aina no misahana io andraikitra io.

Ny fitoriana teo anivon'ny HCC moa dia nataon'i Andrianatsifonantsara Haja, izay nahazo ny taratasy fanendrena ho kandida avy amin'ny lehiben'ny antoko TIM.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.