Manandafy Rakotonirina: Nanome voninahitra azy i Vakinankaratra

  • lundi, 18 mars 2019 22:27
  • Britto
  • Sary Gasypatriote Antsirabe

Nampihetsi-po ny fihetsika feno fanajana sy fanomezam-boninahitra nandraisan'i Vakinankaratra ny nofo mangatsiakan'i Manandafy Rakotonirina ny tolakandron'ny Alatsinainy 18 Martsa. Tamin'ny 3 ora sy sasany no tonga teto Antsirabe ny fiara nitondra ny Razana, notsenain'ny olona marobe : mpomba azy sy ireo mpiray antoko aminy sy ny tompon'andraikim-panjakana isan-tokony.

Teo ihany koa ireo avy tamin'ny K25 sy ireo kandidà ho solombavambahoaka, toy ny avy tamin'ny IRD na ny Mapar teo aloha izany.

Nisy ny fampahafantarana fohy ny hifandraisan'Antsirabe sy i Manandafy Rakotonirina nandritra ny naha CSR azy sy ny fotoana nitantanany ny vaomieran'ny Indostria tamin'ny fotoan'androny, ary dia niroso tamin'ny famangiana ireo tompon'andraikim-panjakana sy ny mpanao politika, ary dia niainga indray ny Razana hamonjy an'Ambositra.

Nivoitra tamin'ny lahateny nifandimbiasana fa isan'ny nampisondrotra ny Indostria teto Vakinankaratra ity mpanao politika ity tamin'izany fotoana.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.