Razafindrafito Lova Paupil: Nisafidy ny tsy hirotsaka depiote

  • jeudi, 14 mars 2019 10:43
  • Britto
  • Sary nindramina

Solombavambahoaka farany teo tato Ifanadiana i Razafindrafito Lova Paupil. Nanao fanambarana tao amin’ny pejy facebook ny tenany ny alatsinainy 11 martsa milaza fa « nisafidy ny TSY HIROTSAKA ny tenako na dia efa nivonona noho ny antony maro samihafa ».

« Hanasoa hatrany ny Distrika Ifanadiana foana aho ary tsy ho avelako ho kamboty velon-dray ny tananako, ary ialako tsiny raha nandiso fanantenana antsika Vahoaka fa izay mahasoa antsika Vahoaka no katsahiko », hoy izy manohy ny fanambarany.

« Mitsodrano ireo namana sy ny olom-pantatra nametraka ny antotan-taratasy firotsahan-kofidiana. aho mba ho tonga amin’ny tanjona irina ».

Voafidy ho anisan’ny mpikambana ao amin’ny Fitsarana Avo na (Haute Cour de Justice) Razafindrafito Lova Paupil.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.