Fifidianana depiote: Minisitra amperinasa roa nirotsaka ho kandida

  • jeudi, 14 mars 2019 09:55
  • Britto
  • Sary nindramina

Nirotsaka ho kandida solombavambahoaka ao amin’ny Distrikan’i Bealanana i Volahaingo Marie Thérèse, minisitry ny fanabeazam-pirenena sy ny fampianarana teknika ary ny fanofanana arak’asa, ao Toamasina I kosa i Lucien Irma Naharimamy, minisitry ny Mponina sy fiahiana sosialy ary ny Vehivavy.

Efa samy solombavambahoaka izy roa vavy ireo tamin'ny fifidianana natao ny 20 desambra 2013 ka i Lucien Irma Naharimamy voafidy tamin'ny lisitra MAPAR tao Mahanoro ; tamin'ny anaran'ny antoko Malagasy Miara-Miainga kosa no nahavoafidy an'i Volahaingo Marie Thèrese tao Bealanana.

Samy mirotsaka amin’ny anaran’ny vovonana “Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina” izy ireo amin'ity indray mitoraka ity.

(Jereo Sary Tohiny)

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.