Kaominina Antananarivo Renivohitra: Notendrena ho Sekretera Jeneraly i Guy Rivo Randrianarisoa

  • mardi, 05 mars 2019 14:47
  • Britto
  • Sary nomena

Guy Rivo Randrianarisoa indray no Sekretera Jeneraly vaovaon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Andraikitra efa nosahaniny teo aloha. Izy no misolo toerana an’i Heriniaina Razafimahefa.

Fanarenana sy fanavaozana ny fitantanana ny tanàna atao izao no mahatonga izao fanendrena vaovao izao, ary hisy ihany koa ny famindran-toerana, hoy ny Ben’ny Tanàna Lalao Ravalomanana nandritra izany raha nampahafantatra izany ny mpiara-miasa aminy akaiky, androany maraina, tetsy amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely taorian’ny famindra-pahefana teo amin’ny sekretera jeneralin’ny Kaominina teo aloha, Heriniaina Razafimahefa, sy ny sekretera jeneraly vaovao Guy Rivo Randrianarisoa.

Minisitry ny indostria tao anatin’ny governemanta Ntsay Christian i Guy Rivo Randrianarisoa. Efa solombavambahoaka Tiako i Madagasikara voafidy tao Antananarivo faha-V ary Kestora fahatelo tao amin’ny Antenimieram-pirenena izy. Ary efa Tale jeneralin’ny fitsinjaram-pahefana ihany koa.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.