Vietnam: Nandamoka ny fihaonana teo amin'i Donald Trump sy Kim Jong-un

  • dimanche, 03 mars 2019 17:50
  • Tigre
  • Sary sy tahirin-tsary nindramina

Taorian'ny fihaonan'i Donald Trump, filoha amerikanina, sy Kim Jong-un, filohan'ny Korea avaratra, tany Singapour ny 12 jona 2018, dia nihaona fanindrohany tany Vietnam indray ny roa tonta ny alarobia 27-28 febroary 2019.

Momba ny anafoanana ny fitaovam-piadiana nokleara eo amin'ny Korea avaratra ny dinika.
Niraradraraka ny doka teo ampiandohan'ny dinika, niara-nisakafo ny roa tonta.

Nangataka ny analana ny sazy ara-toekarena iraisam-pirenena ny filoha Kim Jong-un ho tambin'izany fialana amin'izany programa nokleary izany. Tsy nanaiky izany anefa ny filoha amerikanina, ary nampiditra fialana hafa, ka nilaza fa mbola tsy fotoana analana ny sazy iraisam-pirenena izao. Namaly bontana koa moa i Kim Jong-un fa tsy anajanona ny programa nokleary raha izany no misy.

Nisaraka tsy nanao sonia ny roa tonta, na dia efa vonona avokoa aza ny toerana hanaovana izany sonia fifanarahana, izay efa nomanin'ny roa tonta mialoha tamin'izany.

Nanome tsiny ny filoha amerikanina amin'izao fihetsiny izao moa na ireo mpanao politika amerikanina aza.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.