Guy Rivo Randrianarisoa: “Tsy maniry hiverina eny amin'ny Antenimieram-pirenena intsony aho”

  • jeudi, 28 février 2019 19:31
  • Britto
  • Sary FB

Nanao fanambarana tao amin’ny pejiny Facebook i Guy Rivo Randrianarisoa, io tolakandro io, fa “tsy maniry hiverina eny amin'ny Antenimieram-pirenena intsony aho”.

Nambarany fa nantsoina ary nihaona tamin'ny filohan'ny antoko TIM, Marc Ravalomanana ny tenany androany maraina ary nanambara izany taminy, tamin'ny fomba ofisialy.

“Efa Solombavambahoaka aho, efa minisitra aho, betsaka ny lalana afaka hanasoavako ny mpiray tanindrazana amiko”, hoy i Guy Rivo Randrianarisoa nanazava izao fanapahan-keviny izao.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.