Televiziona Malagasy: Mitohy ny sivana ho an’ireo mpanolotra vaovao

  • samedi, 23 février 2019 09:14
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Taorian’ny fifantenana ireo ho mpanolotra vaovao an-tsary ao amin’ny Televiziona Malagasy (TVM) ato ho ato, nataon’ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina, Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo, mivantana tao amin’ny foiben’ny TVM Anosy tamin’ny tolakandron’ny 19 febroary 2019 dia nandefa iraka ny minisitra, ahitana ny Sekretera jeneralin’ny ministera Ralaimazava Johary Andriamahery sy Tale jeneralin’ny serasera Fanahimanana Hubert Tiaray, miampy mpikambana roa ao amin’ny kabinetrany, miampy an’i Volatahiana Ranaivomanana, Talen’ny TVM teo aloha, manohy ny sivana amin’ny fanaovana « évaluation » ireo nofantenana.

Toy ireny fifantenana tovovavy tsara tarehy sy bikaina (Miss) ireny, ankoatra izay metimety tamin’ny minisitra, no nifantenana ireo ho mpanolotra vaovao an-tsary hiseho amin’ny fahitalavitra ato ho ato ireo, tsy nijerena traikefa na koa fahadisoana arak’asa.

Natao hanamarinana ka hanamafisana ny fifantenana vita tamin’ny 19 febroary ity « évaluation » tontosaina anio ity ?

Vokatr’iny dia nakisaka tsy ho mpanolotra vaovao ry Hery Rakotomalala, Nathan Mahaiavy, Rose Tiana Muriel, Suzetta, Fidisoa Andriamasiarivelo, Lemana Elysée, Tantely Tsimarofy, Dina Ah-Kam mbamin-dry Narindra Rafenomanana.

Miora Hariniaina sy Haingo Rabarinala no mety mbola hiseho nefa miankina amin’izay ho vokatry ny tombana hatao anio.

Hatreto izany dia ny minisitra sy ny kabinetran'ny minisitra mihitsy no miditra mivantana amin'ny fifantenana ireo mpanolotra vaovao ao amin'ny TVM, asa na ilatsaka avy any koa izany ireo vaovao avoaka sy ny fandaharana ao amin'ity Televizionina Nasionaly ity?

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.