Fandriampahalemana: Nidina tamin’ireo kartie mafana nijery ny zava-misy ny praiminisitra Ntsay Christian

  • jeudi, 21 février 2019 14:33
  • Britto
  • Sary Primatiora

Nijery ny fandrindrana ny lamina napetraka amin’ny fiaraha-miasa misy eo amin’ny Tafika Malagasy, ny Zandarimariam-pirenena ary ny Polisim-pirenena ho famerenena ny fandriampahalemana eto Antananarivo ny Praiminisitra, Lehiben’ny governementa, Ntsay Christian, ny alin’ny 20 febroary 2019. Faritra maromaro no notsidihina tamin’izany : CENAM (67ha), Andavamamba, Ambilanibe, Anosibe, Ambohipo ary Ambolokandrina.

Nahita maso ny Praiminisitra fa mbola maro ny tsy fanarahan-dalàna tahaka ny tsy fanajan’ireo toeram-pivarotana zava-pisotro mahamamo ny ora tokony hikatonana. Hitany koa ny fandraisan’andraikitry ny vahoaka amin’ny fametrahana vaomieran’ny fandriampahalemana, hanatevenana ny fitandroana ny filaminana toy ny tao Anosibe.

Nanambara ny Praiminisitra fa hitohy manerana ny Nosy ny hetsika.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.