Ministeran’ny serasera sy kolontsaina: NAOTY mahabe resaka

  • lundi, 04 février 2019 16:27
  • Britto

Namoaka naoty ny Talen’ny kabineratra, ny 30 janoary 2019, mibaiko ny famerenana ireo « véhicules administratifs » rehetra. Miteraka resabe eo anivon’ny ministera io taratasy io, satria hatreto tsy mbola misy didim-panjakana manala amin’ny toerany ireo Tale isan-tokony eo anivon’ny ministera roa nakambana ho iray, dia ny serasera sy ny kolontsaina, ary tsy mbola nisy ihany koa didim-panjakana manendry tale vaovao, izay mampiasa ireny fiaram-panjakana ireny.

Manao fanamarihana ihany koa ny mpiasa eo anivon’ity ministera ity sao fifanitsaham-pahefana mamofompofona fanamparam-pahefana izao, satria hatramin’izay hoy ny mpiasa dia andraikitry ny Sekretera jeneralin’ny ministera ny momba ny fitantanan-draharaha (administration), fa tsy anjaran'ny Talen’ny kabinetra. Ny Talen’ny kabinetra hoy hatrany ny mpiasa dia tokony hisahana ny politika fotsiny ihany.

Betsaka no mimonomonona manoloana izany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.