Venezuela: Hanao fihanihanana ny filoha Nicolas Maduro

  • jeudi, 10 janvier 2019 14:47
  • Tigre
  • Sary nindramina

Miditra amin'ny fotoam-piasana, mandat, faharoa ity Filohan'ny Venezuela, any Amerika atsimo ity, Nicolas Maduro. Tanterahina androany ny fihanihanany amin'ny maha filom-pirenena azy.

Mandalo krizy ara-toekarena goavana ity Firenena manan-karena solika ity, izay manana 297 miliara barils azo trandrahana, izay mametraka azy ho firenena voalohany mbola manana solika betsaka indrindra eran-tany, nefa dia efa 10 000 000% ny fiakaran'ny vidim-piainana raha ny salan'isa nomen'ny FMI, ary mihoatra n'ny 2.3 tapitrisa ireo olona mitsoaka mifindra monina amin'ny firenena manodidina raha ny tombana avy amin'ny ONU nanomboka ny taona 2015.

Ny karama farany ambany any an-toerana dia zara raha mahazo atody vitsivitsy sy atsasa-kilao amin'ny fromazy.

Ireo toeram-pivarotana maro dia efa tsy misy entana ho vidiana rahateo.

Manana mponina eo amin'ny 31 tapitrisa i Venezuela ary velarantany 916 445 km² (1.5 mahery kely noho i Madagasikara)

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.