Aiza avy ireo faritra betsaka olona tsy nifidy?

  • jeudi, 22 novembre 2018 11:45
  • Super User
  • Sary Gasypatriote

Vaky sasaka ny Malagasy tonga nifidy sy ny tsy nandeha nifidy. 5 000 000 latsaka ny tsy nifidy.

Mila fantarina izany ny anton'izay tsy nandehanan'ny olona nifidy izay.
Ireo tsy ao anaty lisitry ny mpifidy dia vitsy lavitra noho ireo efa voasoratra fa tsy tonga nifidy.

Ilaina izany ny mahita ireo faritra betsaka tsy nifidy. Miloko marron matroka ny faritra nisy isan'ny olona betsaka indrindra tsy tonga nifidy amin'ny carte, Analamanga, efa 800 000 mahery, mandeha any amin'ny loko mihamazava ny vitsy tsy tonga nifidy, Melaka, Betsiboka, Bongolava, Ihorombe.

Tsikaritra fa ireo faritra mena, na faritra hanjakan'ny tsy fandriam-pahalemana ireo indray no vitsy ny tsy nifidy, azo heverina ve fa nazoto nifidy izy ireo, sa misy antony hafa.

Ho an'ireo kandida hiatrika ny 2e tour izany, raha ny vokatra vonjy maika navoakan'ny CENI, dia io carte io izany no anehoana aiza no ahitana vato 1 000 000 ilaina, satria raha 54% ny tahan'ireo tonga nifidy ny 1er tour, dia vinaniana fa hiakatra 60% izany rehefa 2e tour, ka mila vato 3 000 000 izany ny kandida vao mandresy, nefa samy latsaky ny 2 000 000 ny vato azo tamin'ny 1er tour.

Samia ary mijery izay tetika hitazonana ny efa azo, ary hakana amin'ireo tsy tonga nifidy, ankoatran'ny report de voix, na ny vato azon'ny kandida 34 hafa izay nisy 1 000 000 tany ny fitambarany.

Mirary soa.
Patrick

Misaotra ireo mpiara-miasa nanao ny carte.

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.