Tsy manova ny fizotran'ny fifidianana ny tsy fahatomombanana

  • samedi, 17 novembre 2018 10:31
  • Super User
  • Sary nindramina CENI

Mety betsaka tokoa ny azo lazaina momba ny fikarakaran'ny CENI sy ny fitondrana ankehitriny ny fifidianana, fa rehefa zohina dia nipetraka kosa, ankoatran'ny famerana sy fanaraha-maso ny vola nampiasain'ny Kandida, ny fepetra rehetra anarahan'ny rehetra maso ny fifidianana.

Aoka samy andray ny andraikitra tandrify azy.

Lisim-pifidianana: Nanao antso hatrany ny CENI hijeren'ny tsirairay, ny kandida ny lisitra, rehefa tsy nanao isika dia iza no diso?
Eny nisy ireo tsy voasoratra, misy ireo maty, fa tsy mihoatra ny 10% izany, tsy mampiova ny vokam-pifidianana, rahateo nisy 6 millions ny olona voasoratra fa, na nanao vato fotsy, na vato maty, na tsy tonga nifidy. Ireo maty nampifidianana voafetran'ny encre indélébile tsy afaka hifidy imbetsaka.

Bulletin unique: Nihidy tao anatin'ny colis sécurisé izy ireny, ary misy numéro isaky ny bulletin, miaraka amin'ny souche, ary voafaritra aiza no nandefasana ireny bulletin ireny, raha misy ny mampisalasala, ka misy hilaza fa nisy bulletin pré-coché, dia azo jerena ny bulletin, ka kikisana ilay mangirana iny, dia hiseho ny numéro de série, ka ho hita raha bulletin avy aty ivelany no nampidirina.

Samy teo ny délégué kandida, vao nosokafana ny colis, ka raha tsy nanana délégué ny Kandida, iza no diso?

Fanisam-bato sy fanaovana PV: Nandritra ny fanisam-bato, samy teo ny mpifidy, natao peta-drindrina ny résultat, nofenoina niaraka ny PV, raha tsy nisy délégué ny Kandida teo, iza no diso?

Ny CENI manao publication BV/BV izay hita any amin'ny tranokalan'ny CENI, azon'ny kandida alaina sous fichier excel any amin'ny CENI, azony anaovana kajy manokana, ialana amin'ny resaka hoe logiciel truqué, ka rehefa tsy nitovy tamin'ny vokatra tany aminao, mandehana mitory any amin'ny HCC, ary naninona tsy nanao remarque tany amin'ny CENI, iza no diso?

SRMV: Misy délégué Kandida miaraka amin'ny Magistrat eo manao ny compilation résultat isaky ny Distrika, raha tsy nanao ny asany teo ny délégué Kandida, iza no diso?

CENI: Manana solotena ao amin'ny CENI ny Kandida, rehefa mivoaka ny trano izy, na antsona hanao confrontation nefa tsy tonga, iza no diso?

HCC: Eto kosa tsy misy mahazo mitsabaka eo intsony, fa dia miandry ny fanapahana isika.

Ny ambonin'izay resabe, fa omano ny 2e tour.

Tsy misorona
Patrick

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.