Fianarantsoa: Filankevi-paritry ny antoko MFM

  • vendredi, 21 septembre 2018 15:55
  • Britto
  • Sary Gasypatriote Fianarantsoa

"Tsy miaraka amin'ny mpanongam-panjakana ny MFM" hoy ny Sekretera jeneralin'ny antoko nandritra izao fihaonana eto Fianarantsoa, datin'ny 21 septambra izao.

Nampatsiahiviny ihany koa ireo foto-kevitra nijoroan'ny antoko hatramin'ny 1972 niforonany.

Tonga nanatrika izao filankevi-paritra izao ny solontena avy amin'ny distrika 7 eto an-toerana. Nitarika ny fotoana ny filoha nasionaly Manandafy Rakotonirina.

Ny Vovonana izay ho tanterahina amin'ny 4 sy 6 no hamaritra izay kandida ho tohanana, raha ny voalaza nandritra io fotoana io.

Nanamafy ny tsy fanohanany ny kandida faha-13 ny filohan'ity antoko ity. Tsy nanome ny anaran'ny kandida izay iarahany kosa anefa izy etsy an-daniny.

Tanjon'ny fihaonana teto ny fanairana ny mpiara-mitolona rehetra ifotony mba hanomana ny fifidianana solombavambahoaka sy ben'ny tanana dieny izao sahady.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.