Fanaraha-maso ny fifidianana: Hanetsika olona ny 6.050 ny SAFIDY

  • vendredi, 14 septembre 2018 11:48
  • Britto

Hahatratra 6.050 ny mpikambana amin’ny firaisamonim-pirenena sy ny olompirenena tsotra hirotsaka hanara-maso ny fifidianana, hiparitaka any amin’ny 9305 birao-pifidianana amin’ny distrika 34 amin’ny faritra Amoron’i Mania, Analamanga, Atsinanana, Boeny, Sava, Atsimo Andrefana ary Androy.

Ny Sampana Anarahamaso ny Fifidianana Ivon’ny Demokrasia Ifarimbonana SAFIDY dia teraka tao anatin’ny tetikasa FANOA (Fifidianana andraisan’ny Olompirenena andraikitra), izay tohanan’ny vondrona Eoropeana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.