Lisi-pifidianana: Anaovana fitsirihana

  • mardi, 11 septembre 2018 22:15
  • Britto

Amperinasa ny kaomisioana manokana hanao fitsirihana ny lisi-pifidianana. Mandrafitra azy io ny “expert” avy amin’ny Frankôfônia, Vaomieram-pirenena mahaleotena momba ny fifidianana (CENI), solontenan’ny kandida, mpanao politika ary fiarahamonim-pirenena. Haharitra folo andro ny asany, aorian’izay dia hanao tatitry ny asa nataony io komity io.

Nialoha an’io ny fanadiovana nataon’ny CENI ny lisitra nanesorana ireo anarana miverimberina. 150.000 teo no hita, nisy 4000 vary mangatsiaka.

Hanovana inona ity fitsirihana ity? Efa nikatona tamin’ny 15 aprily ny lisi-pifidianana (RALE), tsy hisokatra intsony ka tsy ho afaka hampidirana izay tonga taona. Ny Fianakaviambe iraisam-pirenena etsy ankilany manosika ny hanatanterahana ny fifidianana amin’ny 7 novambra 2018.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.