Sambava: Nendahina avokoa ny sarin’i kandida Omer Beriziky

  • lundi, 03 septembre 2018 08:59
  • Britto
  • Sary Gasypatriote Sambava

Voatery nendahina avokoa fa nahazo tamin’ny faritra tsy azo hametahana afisy, hoy ny fanazavana. Tsy ananan-kavana ny lalàna, fa rehefa voarara dia esorina na zanaky ny faritra aza i Omer Beriziky.

Manao antso avo ny tokony hametrahana toerana voatokana hametraha ireny afisin’ny kandida filoham-pirenena miisa 36 ireny ny aty Sambava, raha ara-dalàna ny fanaovana azy ireny mialoha ny fampielezan-kevitra, satria efa saika ny toerana rehetra izao no ahitana azy ireny miparitaka ka mampimenomenona olona maro.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.