Fifidianana filoham-pirenena: Maro kandida avy aty amin'ny faritany atsimo

  • dimanche, 02 septembre 2018 12:57
  • Britto
  • Sary Gasypatriote Fianarantsoa

Nanao antso avo ireo tanora mpianatra avy amin'ny Farintany Fianarantsoa sy Toliara mba hifandaminan'ny kandida filoham-pirenena avy aty atsimo.

Mangataka izy ireo ny mba hivondrona sy hitana "ahitsa iraika".

Teo amin'ny Zomatel Fianarantsoa no nanatanterahana izany fanambarana izany ny harivan'ny sabotsy 1 septambra.

Nanontrona ny fivoriana sy ny fotoana ireo solontenan'ny kandida avy aty atsimo sy ny kandida fantatry ny rehetra amin'ny hoe "Dadafara".

Tanora maro ihany koa no nanatrika sy nanohana izany fihaonana izany.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.