Ntsay Christian: Tsy tokony hahilika amin’ny mpitandro ny filaminana irery ny resaka fandriampahalemana

  • lundi, 30 juillet 2018 12:15
  • Britto
  • Sary nomena

Manoloana ny fisian’ny kolikoly sy tsikombakomba ataon’ireo tompon’andraiki-panjakana sasantsasany ary ny olana eo amin’ny famotsiana ny taratasin’omby dia nandroso vahaolana ny Praiminisitra Ntsay Christian ka nilazany fa : “tsy tokony hahilika amin’ny mpitandro ny filaminana hoy izy ny resaka fandriampahalemana, fa tokony handray andraikitra ny tompon’andraiki-panjakana, ho mendrika eo amin’ny fitondran-tena, tsy hiray tsikombakomba sy hanao kolikoly amin’ireo mpangalatr’omby”.

Nambarany ihany koa fa “tsy tokony hitanila ary ho lavitry ny kolikoly ny Fitsaràna. Eo ihany koa ny fandraisan’andraikitry ny tsirairay amin’ny fanaraha-maso sy ny fitoriana ireo olona heverina ho mpiray tsikombakomba amin’ny dahalo”.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.