Andry Rajoelina: “Avoahy ny datim-pifidianana !”

  • dimanche, 17 juin 2018 22:06
  • Britto

Hajao ny voalazan’ny fanapahan’ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana. Avoahy ny datim-pifidianana manaraka ny didin'ny HCC, hoy ny filohan’ny tetezamita teo aloha, Andry Rajoelina, nandritra ny fandaharana manokana niarahan’ny fahitalavitra tsy miankina VIVA sy TV Plus Madagascar ny alin’ny alahady 17 jona 2018.

Ho fantatra eo, hoy izy, iza avokoa ireo kandida hirotsaka hofidiana filoham-pirenena rehefa mivoaka eo ny datim-pifidianana. Tsy maintsy mametra-pialana roa volana alohan’ny latsa-bato ihany koa ny filohan’ny Repoblika amperin’asa raha hirotsaka izy.

Nohamafisin’i Andry Rajoelina nandritra io fandaharana manokana io fa izy no nanolotra ny Praiminisitra Ntsay Christian. Tsy nambarany mazava kosa raha nisy tsindry avy amin’ny fianakaviam-be iraisam-pirenena tao ambadik’io fanolorana sy fanendrena an’i Ntsay Christian io, nilaza fotsiny izy fa sarotra ny fifandresen-dahatra fa nijoro hatrany izy, tsy nolazainy ihany koa ny votoatin’ny fifanarahana politika raha toa ka nisy izany tamin’ny fanendrena ny Praiminisitra sy ny fananganana ny governemanta amin’io endriny ankehitriny io. Na izany aza nambarany fa misy tokony kitihina io governemanta io.

Mikasika ireo fitakiana sy fihetsiketsehana ivelan’ny etsy amin’ny Kianjan’ny 13 mey dia nambaran’i Andry Rajoelina fa aleo any amin’ny fifidianana mifankahita, any no mandresy lahatra ny mpifidy ny amin’izay hevitra na vinam-piarahamonina mety hanarenana hatrany ifotony ny firenena, ka hatsahatra ny fanakorontanana, aok'izay koa ny tetezamita mitondra korontana, hoy izy namarana ny fandaharana manokana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.