Fitambolagnela / I.A.D.: "Tsy hitondra soa velively ho an'ny Firenena ny Fifidianana hatao an-kamehana"

  • vendredi, 01 juin 2018 22:33
  • Tigre

Nanao fanambarana ny antoko Fitambolagnela / I.A.D. (Identité-Ambition-Développement), tarihin’ny Pr Razafindrandriatsimaniry Marie Dieudonné Michel, ary manana ny foibeny aty Fianarantsoa, manoloana ny zava-misy amin'izao fotoana izao sy hitsinjovana ny tombotsoa ambony ny Firenena dia mitondra izao fanamarihana izao ny Antoko Fitambolagnela / I.A.D., fa " ny fifidianana hatao an-kamehana dia tsy hitondra soa velively ho an'ny Firenena".

Mila fitoniana sy fandriampahalemana ny fanatanterahana ny Fifidianana eto amin'ny Firenena, hoy ny fanambarana ary mila rafitra hapetraka, hanomana ny fifidianana marina sy mangarahara , hiaro ny safidy tsy terena sy tsy voavidim-bola dia Governemanta tsy mitanila, CENI mahaleotena, tsy voabaiko ho amin'ny Tombontsoa manokana ary rafitra ifotony mijoro ara-pahamarinana.

Mila fitsipika sy lalàna mazava izany, hoy Pr Razafindrandriatsimaniry Marie Dieudonné Michel, hampiharina ara-pahamarinana ho an'ny rehetra.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.