Solonandrasana Mahafaly Olivier: “Demokraty ny tenako, manaja ny fifandimbiasam-pahefana”

  • vendredi, 01 juin 2018 19:51
  • Britto
  • Sary nomena

Naneho ny heviny androany zoma 01 jona 2018 ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta Solonandrasana Mahafaly Olivier mikasika ny fanapahana laharana 18-HCC/D3 navoakan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana ny 25 may 2018, amin’ny fandravana ny governemanta sy fanendrena Praiminisitra.

Nilaza Atoa Solonandrasana Mahafaly Olivier fa : “olona demokraty ny tenako, manaja ny fifandimbiasam-pahefana, manaja ny lalàna sy ny fanapahan-kevitra izay miompana amin’ny Lalampanorenana, manaja ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana ihany koa ary manaja ny soatoavina demokratika sy Repoblikanina.

Rehefa tonga ny fotoana, sahala amin’ny nataoko tamin’ny voalohany, am-pitiavana no nandraisako ny toerana maha-Praiminisitra ary maro ireo zavatra tsy maintsy nosedraina tamin’izany, dia am-pifaliana ihany koa no hanolorako ny fahefana amin’izay olona handimby araka ny Lalampanorenana…

Ny irariana, ary manao antso avo aho, dia ny mba hiverenan’ny fitoniana eto Madagasikara, satria izay no ilain’ny vahoaka Malagasy rehetra. Tsy misy afa-tsy ny fitoniana sy ny firaisankina ihany no entintsika mampandroso an’i Madagasikara”.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.