Antsirabe: Nakaton'ny ANEFA ny biraon'ny CISCO sy DREN Vakinankaratra

  • jeudi, 17 mai 2018 15:37
  • Tigre
  • Sary Gasypatriote Antsirabe

Mitokona ireo mpampianatra mivondrona ao amin’ny ANEFA Vakinankaratra io maraina io.

Nanomboka tao amin’ny Cisco Antsirabe faharoa izany ary nitohy tao amin’ny Cisco Antsirabe voalohany sy ny lisea ary dia tao amin’ny DREN Vakinankaratra no nifarana.

Nakaton‘ireo mpampianatra ny biraom-panjakana ary nanazava tamin’ireo mpiasa ny mpitarika fa fitakiana hiraisana no atao ka miangavy anareo hanatevina ny fitokonana dia ny fanitsiana ny mari-karama sy ny fandoavana ny “subvention”, ary ny famerenana ny fandraisana ireo mpampianatra ho 10.000 isa indray.

Nampasiaka ireo mpampianatra ity mari-karama ity satria "ny mpampianatra manana diplaoma Bac+5 hoy izy ireo dia mitovy karama amin’ny mpamafa trano any amin’ny minisiteran’ny fitantanam-bola any".

Tsy hijanona ny hetsika raha tsy mivaly ny fangatahana hoy ny mpitarika satria efa ao anatin’ny fanovana izao dia hoan’izay mpitondra eo sy ny ho avy ny hafatra ho azy ireo, raha toa ka hiova tokoa ny fitondrana atsy ho atsy.

Hiverina indray moa izy ireo amin’ny talata izao.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.