Fanomanana ny fifidianana: Hanome helikôptera hanangonana vokatra ny Afrikana Tatsimo

  • mercredi, 16 mai 2018 08:21
  • Britto
  • Sary nomena

Tonga nitsidika ara-pomba fifanajana ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, Mahafaly Solonandrasana Olivier ny delegasiona avy atsy Afrika Atsimo izay notarihin’ny Ambasadaorony monina sy miasa eto amintsika, Ramatoa Maud Vuyelwa Dloma.

Nifantoka tamin’ny fanamafisana orina hatrany ny fiaraha-miasa sy ny fandinihana ary ny fijerena ny zava-misy eto an-toerana momba ny resaka fifidianana, ny fihaonana. Nandritra izany no nilazan-dRamatoa Maud Vuyelwa Dloma fa vonona hanampy ny firenena Malagasy izy ireo amin’ny dingana fanomanana ny fifidianana, sy eo amin’ny lafiny fampandrosoana.

Mikasika ny fanomanana ny fifidianana, dia misy ireo teknisiana manana traikefa manokana amin’ny fikarakarana izany, izay mandalo eto an-toerana mandritra ny herinandro, ka hihaona amin’ny tomponandraikitra ao amin’ny CENI, ao amin’ny ministeran’ny Fitatanam-bola ary ao amin’ny Banky Foibe.

Hanampy ara-pitaovana toy ny angidimby hitaterana ny voka-pifidianana ny Afrikanina Tatsimo. Any Afrika Atsimo no hanontana ny biletà tokana amin’ny fifidianana.

Tetsy ankilany ny praiminisitra lehiben’ny Governemanta dia nampahafantatra tamin’ireo vahiny fa efa lany sy navoaka hana-kery ny lalàm-pifidianana ary mbola hisy ihany koa ny lalàna izay hoentina eo anivon’ny Filankevitry ny Governemanta ho fanamafisana orina ny fahaleovanten’ny vaomiera manokana misahana ny fifidianana; ary ny lalàna mifehy ny antoko politika eto Madagasikara. Mikasika ny toe-draharaha ankehitriny sy ny famahana ny olana kosa, ny tanjona etoana dia mba samy ho tonga saina ny tsirairay hamaha haingana ny olana ahafahana miroso amin’ny fifidianana.

Misokajy telo samihafa ireo delegasionina tonga teto Mahazoarivo : ny AEC, na ny vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana any Afrika Atsimo (toy ny CENI eto Madagasikara); ny solontena avy amin’ny fikambanan’ny mpandraharaha, tonga hijery izay sehatra azo iaraha-miasa, taorian’ilay fivorian’ny mpampiasa vola natao tany Afrika farany teo; ary ny delegasionina avy eo anivon’ny Minisiteran’ny Raraham-bahiny Afrikana Tatsimo, mandinika izay fomba manamafy ny fifandraisana sy ny fiaraha-miasa ankapobeny eo amin’ny firenena roa tonta.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.