Tolagnaro: Nanatanteraka filan-keviparitra ny MFM

  • dimanche, 15 avril 2018 18:42
  • Britto
  • Sary nomena

Ny zoma 13 aprily no nifamotoana tamin'ireo mpikambana MFM ny Anôsy, tao amin'ny hotely Croix du Sud Le Dauphin Ampotatra Tolagnaro, ny birao foibe notarihin'ny filoha nasionaly Manandafy Rakotonirina.

Natao izao filankevi-paritra izao, hoy i Manandafy Rakotonirina hamariparitana ny politika ankapoben'ny antoko sy ho fanomanana ny fiatrehana ny fifidianana ho avy.

Ny loholona Rakotovazaha Olivier, sady Sekretera jeneralin'ny MFM, kosa no nanazava fa matoa manohana ity fitondrana HVM ity ny Mafana dia mitovy ny tanjona araka ny vina Fisandratana 2030.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.