Antenimieram-pirenena: Fitsidihana nataon’ny fikambanam-be iraisam-pirenen’ny “notaire”

  • jeudi, 12 avril 2018 19:31
  • Britto
  • Sary nomena

Tonga nitsidika ara-pomba fifanajana an’Atoa Jean Max Rakotomamonjy- Filohan’ny Antenimieram-pirenena teto amin’ny Lapan’i Tsimbazaza omaly alarobia 11 aprily tolakandro ny Delegasion’ny “Notaires” notarihan’ny Filoha lefitry ny Filankevitra Ambonin’ny Notaire ao Frantsa.

Nisongadina tamin’ny resaka nifanaovana tamin’izao fihaonana izao fa andraikitra tsy maintsy iantsorohan’ny “Notaire” ny fianarana Lalàna ka izany indrindra no nisafidianan’ny “Union Internationale des Notaires” eto Madagasikara anatanterahina ny Andiany faha-XIII momba ny fianarana Lalàna izay tontosaina ao amin’ny Hotel Carlton, Anosy ny 09 ka hatramin’ny 12 aprily 2018.

Delegasiona avy amin’ny Firenena maro no tonga manatrika izao fihaonana izao ka isan’izany ny avy any Bénin, Cameroun, Côte d’Ivoire, Togo, Comores, Centre Afrique, Algérie, France, Belgique, Réunion, Maurice, Mali, Congo, Gabon, Sénégal, Tchad, ary mahatratra 120 ny isan’ireo Mpandray anjara amin’ity Andiany faha XIII ity.

Lohahevitra iray lehibe no dinihina mandritra izao fianarana izao dia ny “Fanatontolona”. Betsaka ny olona te-hipetraka eto Madagasikara sy manerana an’i Afrika ka izany indrindra no anton’izao lohahevitra izao.

Manoloana io tranga io dia manolotra ny anjara birikiny ny Notaire amin’ny famahana ny olana rehetra na ara-tany na ara-pianakaviana ka nanolotra volavolan-dalàna iray ahafahana manoratra an-tsisiny ao amin’ny sora-pahafatesana ny fanamarinana ny maha-mpandova ny olona iray; faharoa dia ny fanokafana ny “fichier central de dernière disposition testamentaire” ka ny didim-panana rehetra voarain’ny Notaire iray dia soratana ao amin’ny « Chambre Nationale des Notaires ».

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.