Mahajanga: Misy mikononkonona indray ny fanesorana ny Ben’ny Tanàna

  • mardi, 10 avril 2018 21:24
  • Britto

Niakatra tamin’ny fahitalavitra tsy miankina eto Mahajanga ny Ben’ny Tanàna Andriantomanga Mokhtar Salim ny atoandro teo, nanao fanambarana ampahibemaso fa misy fikononkononana hanala azy eo amin’ny toerany.

Voaporofo izany amin’ny zavatra mitranga amin’izao fotoana izao. Tonga eo anivon’ny Kaominina Mahajanga ny Inspection d’Etat hanao fanaraha-maso mikasika ny fomba fitantanana ny Kaominina amin’ny lafiny rehetra, indrindra ny ara-bola.

Tsy manana ahiahy i Andriantomanga Mokhtar Salim sy ny ekipany satria ny any ivelany aza midera ny zava-misy eto Mahajanga mahakasika ny fangaraharan’ny fitantanam-bola.
Raha tena tsy maintsy natao ny fanaraha-maso hoy hatrany ny Ben’ny Tanàna, naninona no izao vao mikoropaka ?

Nahazo fangataham-panazavana avy any amin’ny mpanolotsaina monisipaly ihany koa ny tenany ka mpanolotsaina miisa 11 amin’ny 19 no nanasonia io fangataham-panazavana io, izay tsy vao sambany fa efa fanindroany taorian’ny taona 2017.

Takatry ny rehetra avy hatrany fa vokatry ny zava-niseho tamin’ny 30 marsa niandrasana ny fahatongavan’ny filohan’ny tetezamita teo aloha Andry Nirina Rajoelina taty Mahajanga no anton’izao, izay nohamafisin’i Andriantomanga Mokhtar Salim fa “tsy mampihena ny fitiavan’ny vahoaka ny filoha Andry Rajoelina sy ny Ben’ny Tanàna. Ny vahoaka ihany no tompon-teny farany amin’ny fanesorana ny Ben’ny Tanàna amin’ny maha olomboafidy azy”.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.