Alaotra Mangoro: Mifanebaka imasom-bahoaka ny samy mpitondra

  • lundi, 12 février 2018 15:00
  • Britto
  • Sary Gasypatriote Ambatondrazaka

Ny lehiben’ny faritra Ranarisoa Désiré mitaraina fa misy olona manenjika azy avy eo anivon’ny Prefektiora. Ingahy Préfet Rakotondrasoa Daniel indray raha nandray fitenenana dia tsy nihambahamba nilaza fa misy karazan’olona tsy mihevitra afa-tsy ny hanelingelina sy hitsikera be fahatany fotsiny.

Sanganehana ny filohan’ny Antenimierandoholona sady filoha nasionalin’ny antoko HVM, Rakotovao Rivo teo anatrehan’izany, satria Asaramanitra, fifampiarahabana noho ny taona vaovao no nahatongavany taty Ambatondrazaka, renivohitry ny faritra Alaotra Mangoro nefa toa fifanasana vangy imasom-bahoaka no natrehiny. Hany heriny nananatra ireo mpitondra mba tsy ho lany andro amin’ny fifampitorohana fa “vahao ny olanareo, samia manao ny andraikitrareo”. hoy izy.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.