Fianarantsoa: Manaitra ny mpanara-baovao ny lohahevitra federalisma sahaza

  • vendredi, 09 février 2018 21:36
  • Britto
  • Sary Gasypatriote Fianarantsoa

Roa andro taorian'ny fandalovan'ny filoha mpanorina ny Antoka sy Dinan'ny Nosy (ADN) dia mbola iadian-kevitra ny resaka sy famelabelaran-kevitra nataony. Eo ny filazany fa ny fanovàna rafitra no mahamaika fa tsy fifidianana filoham-pirenena, izany hoe : ny fametrahana ny federalisma sahaza.

Voatonony tao anaty famelabelaran-kevitra ny tsy fankatoavany ny fizotry ny fifidianana mialoha ny fandatsaham-bato izao. Nohamafisiny tao anatin'izany fa tsy fampielezan-kevitra no anton-diany.

Nanazava ny diabe ho fakana ny hevitra isa-paritra amin'ny alalan'ny dinam-piarahamonina ihany koa i Edgar Razafindravahy tamin'izao fandalovany izao. Hajoro anaty fohy ezaka ny ADN sampana tanora sy vehivavy aorian'izany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.