HVM Mahajanga: Babangoana ny fetiny tao amin'ny Complexe sportif Ampisikina

  • dimanche, 04 février 2018 20:22
  • Britto
  • Sary Gasypatriote Mahajanga

Na dia efa delegasiona mafonja mpikambana ao amin'ny Antenimierandoholona sy governemanta aza no notarihin'i Rivo Rakotovao taty Mahajanga hanao fifampiarahabana nahatratra ny taona 2018 dia nangatsiatsiaka ny lanonana tao amin'ny efitrano malalaky ny complexe sportif, tsy nisy afa-tsy ireo fikambanam-behivavy no nanotrona izay notambatambazana 3 tapitrisa Ariary hanomanana sy hiatrehana ny 8 marsa. Eo ihany koa ireo olom-bitsy avy amin'ny isam-pokontany nanerena ireo sefo fokontany miaraka amin'ny antoko HVM.

Nanamafy moa i Rivo Rakotovao fa mbola ny filoha Hery Rajaonarimampianina no ho kandidan'ny antoko amin'ny fifidianana ho avy io ary efa vonona sy matoky ary ny handresy izy ireo.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.