Fitondrana Rajaonarimampianina : Voizina indray izao ny “Fitoniana Tour”

  • vendredi, 02 février 2018 21:33
  • Britto
  • Sary Gasypatriote Mahajanga

Manovokovoka mafy ny filoha Rajaonarimampianina volana vitsivitsy mialohan'ny hifaranan'ny fotoam-pitondrany. Voizina indray izao ny “Fitoniana Tour”. Teto Mahajanga ny iraka manangona tanora 18 hatramin'ny 40 taona tsara fitondra-tena, tsy mbola mikambana anaty antoko politika natao ho mpitarika olona any amin'ny isam-pokontany.

Raha ny fanazavan'i Sambahita, ilay iraka hanangana ny “Fitoniana Tour” dia hanao asa soa sosialy ny fikambanana hanampy ireo sahirana sy be antitra ary manana fahasembanana eto Mahajanga.

Ny nahagaga hatramin'izay tsy mba niraika tamin'ny resaka sosialim-bahoaka ny fitondrana. Firifiry ireo tanora tsy an'asa sy zaza tsy afaka mianatra na voatery miala an-daharana noho ny fahantrana saingy tsy nisy ny hetsika nataon'ny fitondram-panjakana.

Mbola hitety ny faritra ny “Fitoniana Tour” fa i Mahajanga no nanombohana azy.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.