Fianarantsoa: Hanentana momba ny fifidianana ny DFP

  • lundi, 18 décembre 2017 16:52
  • Zakaria
  • Sary Sobika Fianarantsoa

Nandalo teto an-toerana ny filohan'ny Dinika ho Fanavotam-pirenena, Ratolojanahary Maharavo na Doudou ka nihaona tamin'ireo mpikambanana ao amin'ny fiarahamonim-pirenena.

Nifantoka tamin'ny filazalazana ny raharaham-pirenena sy ny fifidianana ny fifanakalozana.

Nambaran’i Doudou Maharavo nandritra io fotoana io fa handray anjara amin'ny fanentanana ny olom-pirenena momba ny raharaham-pifidianana izy ireo.

Manatanteraka fitetezam-paritra ny DFP ho fametrahana fiaraha-miasa mikasika izany na dia mbola ao anatin'ny famolavolana ny antontan-taratasy fandrafetana tetikasa hisy mpamatsy vola.

Hianona amin'ny fanabeazana ny isam-bahoaka izy ireo raha ny voalazany hatrany. Moa ve hanohana olona izy ireo mandritra ny fifidianana manaraka, hoy ny fanontanian'ny mpanatrika. Miandalana ny filazana izany hoy ny filohan'ny DFP nandritra io fotoana io fa ny laharam-pahamehana dia ny fitaizana ny olona amin'ny fifidianana, hoy izy nanamafy.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.