Sambava: Nakatona ny Feon’i Sambava, radio an’i Manoro Régis

  • vendredi, 10 novembre 2017 08:10
  • Britto

Taorian’ny dian’ny minisitry ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny andrim-panjakana, Rahajason Harry Laurent, taty SAVA dia manomboka ny fanakatonana ireo haino aman-jery tsy miankina tsy manana fahazoan-dalana ara-dalàna hijoro aty SAVA, ataon’ny iraky ny Fanjakana foibe avy any an-drenivohitra izay tonga ny alarobia 08 novambra eto Sambava.

Nanomboka omaly 09 novambra tolakandro ny “opération” ka ny Feon’i Sambava, izay radio an’ny minisitry ny fanabeazam-pirenena teo aloha sady Sekretera jeneralin’ny antoko UNDD, Pr Manoro Régis no niharan’ny fanakatonana voalohany.

Miisa sivy ireo televiziona sy radio miorina eto Sambava. Mitohy ny fitetezana “station” ataon’ireo iraky ny fanjakana, manamarina ny atontan-taratasy fisokafan’ny onjam-peo.

Misamboaravoara ny tontolon'ny fanaovan-gazety eto an-toerana satria dia asarotina ny fahazoana alalana indrindra raha haino aman-jery mitsikera fitondrana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa