Fifidianana: Nandray anjara amin'ny famatsiam-bola ny Frantsay

  • vendredi, 10 novembre 2017 07:45
  • Tigre
  • Sary Njaka

Notanterahina ny alarobia 08 novambra tetsy amin’ny foiben’ny CENI ny sonia fifanarahana tamin’ny frantsay sy ny vaomiera mahaleon-tena momba ny fifidianana teo amba ny fiahiana’ny PNUD.

Nanolotra 300 000 Euro izay tafiditra ao antin’ilay tanjona Basket fund sy ny PACEM ny avy eo amin’ny fanjakana frantsay.

Raha ny lalàna misy amin’izao fotoana izao dia tsy anjara adidy ny CENI ny manondro ny datim-pifidianana, manamafy anefa ny Tompon'andraikitry ny CENI ny anondroana izany datim-pifidianana Filoham-pirenena mba ho filaminan’ny firenena satria lasa misy ady hevitra isan-tokony izay tsy tsara loatra ao anatin’ny fitanana izay fifidianana izay.

Nanizingizina ny filohan’ny CENI fa voamiera mahaleon-tena ireto farany ary tsy misy andrim-panjakana afaka mibaiko an’izy ireo fa ny Lalampanorenana sy lalam-pifidianana no ambonin’izy ireo.

Marihina moa fa hatrany amin’ny 2019 no ahafahana mampiasa ity Basket found ity.

Amin’ny voalohany volana desambra ho avy izao dia hisy indray ny fanavaozana isan-taona ny lisim-pifidianana, ka miezaka araka izany ny CENI hampiditra ireo mbola tsy ao anaty lisitry ny mpifidy.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa