Alaotra Mangoro: Mijoro ny TMH - Tanora Miandrandra ny Ho avy

  • vendredi, 29 septembre 2017 09:12
  • Tigre
  • Sary nomena

Napahafantarina tamin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 23 septambra lasa teo ny Coach TMH Faritra Alaotra Mangoro sy ny TMH sampana Moramanga.

Tonga maro ny mpikambana ary namaly ny antso ireo mpitarika TMH rehetra taty an-toerana.

Nangataka izy ireo ny hirotsahan'i Filoha Andry Rajoelina amin'ny fifidianana Filoham-pirenena amin'ny 2018 fa vonona ny TMH Moramanga sy ny aty Alaotra ny anohana azy.

Tonga taty an-toerana ihany koa Rafidimanana Desiré izay filoha nasionalin'ny TMH ary tonga nanome voninahitra ihany koa ny Filoha lefitry ny Mapar Augustin Andriamananoro.

Ny TMH moa dia tsy manaiky ny hikitihana izany Lalampanorenana izany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.