Fanabeazana: Mampianatra an’arivony hozaraina “contrat de travail”

  • lundi, 11 septembre 2017 08:55
  • Britto

Mpampianatra aman-jatony isaky ny distrika no hampiakarina any Antananarivo fa hozaraina “contrat de travail” amin’ny 24 septambra ho avy izao. Ho an’ny distrikan’i Marolambo manokana dia fiara miisa 5 no hitondra mpampianatra miisa 109, izay hihainga avy eto Mahanoro.

Tamin’ireo andiany teo aloha, nandraisana mpampianatra FRAM ho mpampianatra raikitra dia nitety Cisco na fari-piadidiam-pampianarana ny tomponandraikitra avy eo anivon’ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena nizara “contrat de travail”.

Mampametra-panontaniana ity fizarana “contrat de travail” faobe hatao ao Antananarivo ity, sa manao propagandy ho an'ny HVM ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena ?

 

Commentaires (73)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa