HVM: Vakiana fotsiny ny tetika apetrany

  • mercredi, 06 septembre 2017 18:54
  • Tigre
  • Sary Njaka

Nivory tetsy amin'ny foiben-toerany etsy Antanimena omaly ireo lohandohany ao amin'ny antoko HVM, izay notronin'ireo mpikambana ao amin'ny governemanta marobe, notarihan'ny praiminisitra Olivier Solonandrasana Mahafaly.

Marina fa tsy misy lalàna mandrara izany amin'izao, fa efa hita taratra eny izany fa na ny minisitry ny atitany izay sady praiminisitra, miadidy ny pitsopitsony rehetra momba ny fifidianana dia efa mampiseho mazava ny fitanilany, na dia lazaina moa fa ny CENI no mikarakara ny fifidianana.

Nolazain'i Rivo Rakotovao lehiben'ny HVM moa fa tsy matahotra hifanandrana amin'ny Kandida iza na iza ry zareo, ary manamafy fa Hery Rajaonarimampianina no kandida n'ny HVM. Namafisiny omaly talata 05 septambra ihany koa, fa mahazo milatsaka ny rehetra, raha mahafeno ny fepetra sy madio ny Casier judiciaire, sy ireo fitsipika fehezin'ny lalàna. Dia vakiana fotsiny hoy ny tanora ny tian'ny HVM ahatongavana.

Milaza moa ity farany fa dia tsy ny sondage no mifidy ny filoha fa ny vahoaka Malagasy izay tena tia ny Filoha ankehitriny hoy izy namarana ny teniny.

Nifampitehaka sy nifampakatra moraly teo moa ry zareo "filan-kevitry ny governemanta", raha ny sary indray mipika no jerena.

 

Commentaires (50)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa