HVM: Mampiasa ny Sefo Fokotany hanao ny asan'Antoko

  • samedi, 19 août 2017 10:57
  • Tigre
  • Sary nomena

Hita eny amin'ny Fokotany maro, indrindra fa ny eny amin'ny boriboritany faha 5 eto Antananarivo Renivohitra, ireo taratasy firotsahana ho mpikambana HVM, izay ny Sefo Fokontany mihitsy no ampiandraiketina izany.

Hatraiza moa izany no hinoana ny fanaovana ny Lisim-pifidianana, sy ny fikarakarana ny fifidianana izay ny Fokontany no mandray anjara betsaka ny amin'izany, na dia eo aza ny CENI?

Ny minisitra sy ny Praiminisitra ary ny Filoham-pirenena mampiasa ny fahefam-panjakana rehetra amin'izao anomanana ny fifidianana 2018, ampiasaina sy lalaovina ny Tafika, ny sasany mampiasa ny Fiangonana ho fitaovana, ary zary lasa hatrany amin'ny Fitorian-teny eny amin'ny Pilipitra mihitsy ny resaka politika.

 

Commentaires (74)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa