CENI: Mitaky fahaleovan-tena ny mpikambana

  • mercredi, 12 juillet 2017 08:07
  • Tigre
  • Sary Njaka

Nampita ny tatitry ny asa vitany tany amin’ny Praiministra lehiben’ny Governemanta ilay vaomiera fakan-kevitra sy fandinihina ny fanatsarana ireo didy aman-dalana mifehy ny fifidianana eto Madagasikara, izay notarihin’ny solontenan’ny Filohan’ny Vaomiera Mahaleotena Misahana ny ‘Fifidianana (CENI) ny alakamisy 29 Jona 2017 lasa teo.

Ahitana pejy 58 ny tatitra izay nataon’io vaomiera io rehefa nikatroka nandritra ny roa volana ny 24 aprily hatramin’ny 28 jona 2017 tamin’ny fandinihina ny manodidina ny lalana manan-kery mifehy ny fifidianana malagasy ho fanatsarana izany.

Nanambara izany ny Filohan’ny CENI teny amin’ny Ministeran’ny serasera Nanisana.

Mitaky ny fahaleovan-tena ireo mpikambana ao amin'ny CENI, na ara-panapahana, na ara-bola, na ny daty anaovana ny fififdianana sy ny didy fanaingana ny mpifidy, mba ho izy ireo mahaleotena no hanao izany.
Mitaky ny ahafahan'ny rehetra mandray anjara amin'ny fifidianana ho avy rehetra ihany koa izy ireo.
Mitaky ny amerana sy ampangarahara ny vola ampiasain'ireo kandida ihany koa ity Vaomiera ity.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa