Claudine Razaimamonjy: Hiazakazaka ny raharaha

  • lundi, 29 mai 2017 08:59
  • Tigre
  • Tahirin-tsary

Fantatra avy amin'ny loharanom-baovao eo anivon'ny fitsarana, fa dia tsy maintsy hajaina ny Lalàna, ka tsy atao fihalokalofana ny hopitaly, fa natao ho an'ireo izay tena marary ka mila izany.

Ireo mpitsabo ao amin'ny HJRA moa dia efa manongo tena fotsiny satria fantatra hatrany amboalohany fa mody manao marary i Claudine Razaimamonjy fa sarimihetsika no betsaka, raha ny marina hoy ireo mpitsabo, izay tsy mitonona anarana dia fanalana baraka anay mpitsabo malagasy ny nandefasana azy any Maurice satria dia vita eto an-toerana avokoa raha ny fitsaboana tokony natao taminy, raha nisy aza ny fiakaran'ny tosidrany.

Etsy ankilany, raha ireo mpitsara manaraka akaiky ity raharaha ity dia nanamafy izy ireo fa tsy maintsy hajaina ny Lalàna, ka tsy ekena mihitsy ny didy izay avoakan'ny mpitsara nefa tsy ampiharin'ny Fahefana mpanatateraka.

Anisan'izany ny fidiran'i Claudine amponja vonjy maika araka ny didy navoakan'ny mpitsara amin'ny anaran'ny Vahoaka Malagasy, sy ny fandrarana an'i Claudine Razaimamonjy tsy ivoaka an'ny Madagasikara (IST), nefa tsy amoahan'ny minisitry ny atitany, sady Praiminisitra rahateo Olivier Mahafaly, fampilazana eo anivon'ny fiadidiana ny fiarovana ny sisin-tany (PAF).

Ity farany ity manko, raha ny loharanom-baovao, dia tsy maintsy mitondra fanazavana momba ity raharaha Claudine Razaimamonjy ity, satria betsaka ireo tolotr'asa nampanaovin'ny ministeran'ny atitany ka iandrasana fanazavana avy amin'ny minisitry ny atitany sady Praiminisitra.

Ny Bianco ve ho sahy hampiantso ka hanao famotorana ny Praiminisitra?

Arahatsika eto izany ny tohin'ity raharaha ity.

 

Commentaires (259)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa